Fanokafana ny Fifaninanana Lehibe mitondra ny lohateny hoe : « Grand prix MALINA du journalisme d’investigation »

bg-image Nivoaka ny 15 Febroary 2019 ao amin'ny

Androany 15 Febroary 2019 ny Transparency International – Initiative Madagascar (TI-IM) dia manokatra ny andiany voalohany amin’ilay Fifaninanana : « Grand prix MALINA du journalisme d’investigation ». Ny tanjona amin’izany dia ny hanasongadinana ny asa fanaovan-gazety manatsikafona mendrika indrindra momba ny kolikoly, nandritry ny taona 2018, nataon’ny mpanao gazety Malagasy iray na maromaro mitambatra.

Ny lahatsoratra an-gazety na ny horonantsary fanadihadiana novokarina teo anelanelan’ny 01 Janoary 2018 sy 31 Desambra 2018 ihany no azo raisina amin’ny fifaninanana. Ekena ho mifaninana ireo lahatsoratra an-gazety sy ireo amin’ny tranokalam-pifandraisana, ireo lahatsoratra amin’ny blaogy, ireo fanadihadiana voarakitra anaty rakimpeo na rakintsary, ireo saritatitra sy ireo horonantsary fanadihadiana voarakitra amin’ny tranokalam-pifandraisana.

 

Ny valisoa omena izay mpanao gazety nanatontosa ilay asa fanaovan-gazety manatsikafona mendrika indrindra momba ny kolikoly dia fiofanana iraisam-pirenena momba ny asa fanaovan-gazety manatsikafona , mandritry ny 4 andro, any amin’ny Nosy Maorisy, amin’ny volana Aprily 2019.

Ny mpanao gazety na ny mpianatra amin’ny asa fanaovan-gazety maniry hiantsehatra amin’ny fifaninanana dia hamporisihina hameno ny takelaka fandraisana anjara izay azo alaina ato amin’ity pejy ity. Rehefa feno ny takelaka fandraisana anjara dia alefa miaraka amin’ny ilay lahatsoratra an-gazety na ny horonantsary fanadihadiana, amin’ny adiresy contact@transparency.mg na haterina mivantana eny amin’ny biraon’ny TI-IM, farafahatarany ny Zoma 15 Martsa 2019.

Ny mpifaninana rehetra dia amporisihina hamaky tsara ny fitsipiky ny fifaninanana izay azo alaina eto amin’ity pejy ity mialoha ny andefasany ny takelaka fandraisana anjara nofenoina sy ny lahatsoratra an-gazety na ny horonantsary fanadihadiana .

Ny Zoma 22 martsa 2019 no hanaovana ny lanonana fanolorana ny valisoa ho an’ny mpandresy.

Mirary fahombiazana ho an’ny rehetra!

 

    Fitsipika

 

 

   Takelaka fandraisana anjara